Nanolana zaza miisa roa : naiditra am-ponja ilay talen’ny EPP

Zaza roa kilasy T2 niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataona talen-tsekoly iray. Naiditra am-ponja ilay nahavanon-doza, afakomaly.

Natolotra ny fampanoavana tao Ambatondra­zaka, naiditra am-ponja ny talen’ny EPP iray nahavanon-doza tamina vehivavy miisa roa, afakomaly. “Efa nataony talohan’ny fialan-tsasatry ny mpianatra miisa roa io tranga io saingy nisy fiantraikany ara-pahasalamana tamin’ny iray tamin’ireo zaza izany”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandary ao Brieville Andriamena. Naha­tsikaritra ny tsiranoka nivoaka tamin’ny zanany vavy ny re­nim-pianakaviana iray. Nofo­topotorany io zanany io ka niloa-bava. “Nosoran’ilay tale menaka sy savony ny tanany ka natsofony tany amin’ny fivavian’ny zaza lasibatra”, hoy ny zandary ao an-toerana. Nentina nihazo ny mpitsabo ilay zazavavy 7 taona. Voamarina tokoa ny tranga nahazo azy. Natao famotorana ilay talen’ny EPP. Niaiky heloka ity farany ary nilaza tsy ho tompon’ny tenany teo am-panatontosana izany. Nohai­noin’ny mpitsara mpanao fa­motorana izy ka izao niafara amin’ny fitazonana am-ponja izao.

Aretin-tsaina
Anisan’ny aretina mitaky fitsaboana ny fanararaotana ara-nofo ataon’ny olon-dehibe amin’ny zaza. “Aretin-tsaina ary tena mila tsaboina ny mahazo ireo olona manao io fihetsika mamoafady amin’ny zaza io”, hoy ny Dr Andria­narison Nambinintsoa, mpi­tsabo ao amin’ny CHU An­jana­masina. Anisan’ny mampirongatra izany matetika ny fandraisana zava-mahadomelina. “Manaitra ny filan-dra­tsin’ilay olona ka mitarika azy hanaotao foana izany”, hoy ny fanamafisan’ity mpitsabo ity.

Tsiferana R.

Partager sur: