SOMBIM-BAOVAO

Laura. Nibata ny medaly volamena ho azy koa i Laura Rasoanaivo teo amin’ny taranja Judo sokajy -70kg, amin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, atao any Kinshasa, RD Congo. Mamiratra hatrany ity Malagasy mpikatroka ity amin’izay fifaninanana atrehany. Tsiahivina fa izy no voalohany eran-tany eo amin’ny sokajy katsaky ny 70 kilao

Barea JIOI. Nifarana omaly zoma 4 aogositra ny fanomanan-tena nataon’ny ekipam-pirenena malagasy tany Mahajanga. Araka izany, nisy ny lalao iray na­taon’izy ireo, tany an-toerana. Lavon’ny Barea, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Eden Sport, baolina roa tafiditr’i El Hadary, raha toa ka tokana ihany ny an’i Fenohasina Gilles.

Fabio. Resy teo amin’ny famaranana taranja tenisy ambony latabatra, nandritra ny lalaon’ny Frankôfônia, izay atao any RD Congo Kinshasa, ny 28 jolay-6 aogositra. Taorian’i Mbola, mpitolona sy i Narindra, mpikatroka Judo, dia i Fabio indray no Malagasy fahatelo nahazo medaly volafotsy.

Basikety. Tsy tafavoaka nanoloana ny ekipam-pirenen’i Sénégal ny Ankoay de Madagascar, vehivavy. Nomontsanin’ny senegaley, tamin’ny isa mavesatra 94 no ho 48 ny Malagasy. Liban no mifanandrina amintsika hiady ny medaly alimo. Fanamby goavana, araka izany, ny miandry ny Akio amin’ity fifaninanana ity, ny hahazoana medaly.

Partager sur: