Da Hopp. Ho tanterahina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Kudéta Urban Club, ny fampisehoana iaraha amin’ny tarika Da Hopp. Ity tarika ity izay anisan’ny namakilay ny mozika rap teto Madagasikara. Tsy miova fa ny mozika nahafantarana azy hatramin’izay ihany no entin’ny tarika hampifaliana ny mpankafy azy.
Reggea sy ny tontolony. Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Madagascar Underground’s Antsahavola ny fampisehoana iarahana amin’i Rantoniaina sy Jah Roots, hetsika tafiditra ao anatin’ny Madagascar Underground’s LIVE. Vonona tanteraka ny mpanakanto hanome ny tsara indrindra avy aminy, mandritra ny seho.
Efa vonona ireo tarika handray anjara amin’ny “Festival de danse”, na ilay hetsika momba ny dihy sy ny famoronana mifandraika amin’izany. Ankoatra ny fampisehoana an-tsehatra, anisan’ny hiompanan’ity “Festival” ity ny fifanakalozana ao amin’ny samy ao anatin’ny tontolon’ny dihy. Hifanena ao rahateo ireo tarika zoky sy ny zandry.
Hanamarika ny faran’ny herinandro amin’ny alalan’ny seho “Concert acoustique” miaraka amin’i Gothlieb sy Luk ny Renivohitr’i Vaninankaratra. Hira malagasy sy vahiny, revy glita sy famerenana feon’
olona malaza, sns.