Tanterahina anio, eny amin’ny EPP Antsahabe, ny fampiharana ny fampiofanana nandritra ny atrikasa teatra ho an’ny ankizy, nokarakarain’ny “Compagnie Miangaly Théatre”. Naharitra 3 herinandro ny atrikasa, ary haseho ny daholobe anio ny vokatra. Efa vonona tanteraka ny mpandray anjara amin’ity seho atao anio ity. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, hanana ny lentany ny seho, na dia mbola zaza sy vao mianatra ihany aza ny mpandray anjara.
Fampisehoana irahana amin’ireo ankizy nahavita atrikasa no hita eny amin’ny EPP Antsahabe anio. Ankizy 6 hatramin’ny 15 taona no nanatontosa ny atrikasa. Tao anatin’izany no nitondrana fahalalana sy fampahafantarana ny teatra ho azy ireo. Nitohy tamin’ny fomba filalaovana sy ny manodidina ny fiantseharana izany. Izany rehetra izany no noezahina namafisina tao anatin’ny 3 herinandro ary izao aseho ny daholobe, anio, izao.
Hahazo ny anjarany ny mihoatran’ny 15 taona aorian’ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tanjona amin’izany ny famerenana ny maha izy ny teatra sy ny fampiroboroboana izany.
Lin M.