Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, ny volana marsa lasa teo, manohy ny tantsoroka ho an’ny fokonolona amin’ny fanampiana ny fahasalamana ny Unicef sy ireo mpiray ombon’antoka maro. Mandeha mitety tanàna ireo mpiasan’ny fahasalamana manome tolotra eny amin’ny foibe ho an’ny fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fokontany. 20 andro ny faharetan’ny asan’izy ireo ary miova isan’ andro ny toerana hiasana, hoy ny tomponandraikitra. Nanomboka ny volana marsa lasa teo, 96 ny ekipa mitety tanàna mandray an-tanana ny reny sy ny zaza amin’ny ankapobeny. Olona 34 000 marefo vokatry ny haintany sy ny ny rivodoza tany Atsimo sy ny tapany Atsimo Andrefana no nahazo tombontsoa mivantana tamin’ny fikarakarana.
Andraikitra sahanin’ny mpiasan’ny fahasalamana ny misafo, mitily sy mandray an-tanana ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, mizaha fahasalamana ny kilonga, mizara vitamine A sy manao vaksiny mahazatra ho an’ny ankizy ary ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19 ho an’ny lehibe, hoy ny fanazavan’ny mpanentana eny ifotony, Rasoanirina Josette. Marefo ny fahasalaman’ny vahoaka taorian’ny fandalovan’ny rivodoza satria sahirana amin’ny fahazoana rano madio ka nahazo vahana ny aretin-kibo sy ny aretina tazo vokatry hamandoana.
Izay no nahatonga ny Unicef nanohana ny ekipa mitety tanàna hamonjena aina maro, indrindra ny ankizy madinika, hoy ny manampahazaina momba ny hamehana ao amin’ny Unicef, Randimbiarison Jacky.
Vonjy A.