TSELATRA

Lehilahy lehibe dimy nosamborin’ny polisy noho ny filokana an-dalambe teto an-dRenivohitra, afakomaly. Efa nanaovana fanentanana manokana, nanohy ny filokana hatrany izy ireo. Nosamborina, taorian’izay ay hanaovana fanadihadiana. Nampaha­tsiahivin’ny polisim-pirenena fa tsy azo atao ny miloka an-dalambe.

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa mpangalatra omby tao Soatolakandro, fokontany Ambatotsipihina, kaominina Antanambao Ambary, distrika Mandoto, ny 31 jolay teo. Efa-dahy ireo mpangalatra omby niaraka nanao ny asa ratsiny tao amin’io fokontany io.

Taxi-be 119 iray hafa indray tapaka hisatra ka nifatratra tamin’ny sisin-dalana, omaly. Tsy nisy ny aina nafoy saingy mari ny naratra. Matetika tapaka hisatra eo Ambohijatovo ny ankamaroan’io kaoperativana taxi-be io. Andrasana ny fandraisana andraikitr’ireo voakasik’
izany.

Mpanendaka roa lahy voasambotry ny polisy tetsy Ampasika, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisy ka nanao vela-pandrika. Nikasa handositra, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ka tratra ireo roa lahy.

Enin-dahy tratran’ny polisy niaraka tamin’ny angady sy barre à mine nangalatra vy amin’ny “portique limitateur de gabarit», famerana ireo fiara lehibe tsy hiditra amin’ny lalana etsy Ifarihy Madera. Nosamborina avy hatrani ry zalahy ary hatolotra ny fampanoavana. Fangalarana sy fanimbana fananana iombonana ny vesatra iampangana azy ireo.

Partager sur: