Tapitra androany ny fe-potoana telo herinandro hanafoanana ny delestazy, araka ny toky nomen’ny filoham-pirenena, ny fiandohan’ny jolay lasa teo. Etsy ankilany, nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, fa ho tratra io fe-potoana io, saingy tsy ho foana tanteraka ny fahatapahan’ny herinaratra. Ho tapaka kosa ny famatsiana eny amin’ny boriborintany II, Atsimondrano, Ankorondrano sy ny manodidina ny alahady satria hosoloina ny andrin-jiro hazo maromaro efa lo.
Misy ny tetikasa “Fia mora” hanovana ny fomba fisakafoan’ny Malagasy sy mba hihinanana hazandrano. Mbola ambany ny tahan’ny fihinanana hazandrano eto Madagasikara raha oharina amin’ny firenena hafa noho ny tsy fahefa-mividy. Anisan’ny mitondra otrikaina avo 7 heny noho ny hena ny trondro. Misy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Jono sy ny orinasa Sopromer ary ny vondrona “Refrigépêche” hivarotana hazandrano mora ho an’ny mpanjifa.
Hahazo fitaovana toy ny fiara iray, moto miisa 90 ary “tablette” miisa 265, ny Fandaharanasa fampandrosoana ny fambolena (Defis). Ho raisin’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ireo.
Nidina avokoa ny vidin’ny entona fandrehitra “vitogaz” rehetra. Nilatsaka 1 000Ar ny vidin’ny entona 4kg, raha 2 200Ar ho an’ireo 9kg. Manodidina ny 3 100Ar ho an’ireo tavoahangy 12 5kg ary 9 900Ar kosa ireo 39kg.