Vidin’entana : ampiakarina amin’ny fanaovana asa tanana ny vidin’ny vanille

Tonga maneho ny fomba fampiasana sy fanodinana ireo akora fototra avy amin’ny vokatra vanille etsy amin’ny “Fier Mada”, Andohatapenaka ireo mpamokatra avy any amin’ny faritra Ambatosoa, amin’izao fotoana izao. “Simba fotsiny ny vanille any an-toerana satria tsy misy vidiny intsony ary vitsy ny mpanjifa izany”, hoy i Christianah, mpamokatra vanille avy any an-toerana, raha nanontaniana teny Andohatapenaka, omaly. Manodidina ny 3000 Ariary ny kilaon’ny vanille maitso manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, raha ny fanazavana voaray. Maniry ny hampiakarana ny vidin’izany, ho amin’ny vidiny ambony ireo mpamokatra. Vahaolana hitan’izy ireo hanomezan-danja sy hampiakarana ny vidin’izany eto Madagasikara ny fanaovana sy fampisehoana karazana asa tanana vita aminy. “Tsapanay fa azo atao ny asa tanana mba hisarihana sy hanentanana ny fivelomana avy amin’ny vokatra la vanille ka antony nandrisika azy ireo hanao izany”, hoy hatrany izy. Afaka manjifa ny vokatra amin’ny vidiny tsy mamono ny mpamokatra ny mpanjifa. Azo atao haingon-trano ireo vokatra amin’ny ankapobeny. Ahavitana endrika samihafa (langouste, porte bouquet de mariage, tasse, sous-plat, mananasy, ravinala…). Manintona ny mason’ny mpanjifa kokoa ny vanille rehefa navadika amin’ny endrika asa tanana. Manodidina eo amin’ny 200 000 hatramin’ny 400 000 Ariary eo ny vidin’ny asa tanana vita amin’ny vanille. 1 000 Ariary ny singany iray eny an-toerana. Andrasana ny hanjifan’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka ny vokatra fa tsy ny vahiny ihany. Mampiakatra ny vidin’ny vokatra izany.

Mino

Partager sur: