ASIEF: nandresy tamin’ny volley sy basikety ny ekipan’ny Governemanta

Mandray anjara mavitrika anatin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana, ny Governemanta. Nandresy tamin’ny taranja Volley sy basikety izy ireo, omaly.

Notontosaina tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana, taranja Volley sy Basikety, nifanandrinan’ny Governemanta sy ny Faritra Atsinanana. Nanao pao-droa ny ekipan’ny praiminisitra, Ntsay Christian, izay nahazo fandresena teo amin’ny Volley sy basikety. Isa 30 no ho 25 no nandresen’ny Governemanta ny faritra Atsinanana, teo amin’ny basikety ary seta 2 no ho 1 teo amin’ny Volley. Anisan’ny tazana teny ambony kianja ny Praiministra, ny minisitry ny Fitantanam-bola, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, minisitry ny Fanabeazam-pirenena, minisitry ny Fiarovam-pirenena, minisitry ny Asa tanana, minisitry ny Paositra,… Nambaran’ny praiminisitra, Ntsay Christian, fa nampiseho ohatra izy ireo fa ilaina ny manao fanatanjahantena satria sady mahasalama no mitondra firaisan-kina. Manentana ny mpiasam-panjakana rehetra izy hanohy ny fanaovana fanatanjahantena satria mitondra soa izany. Ho mariky ny fahafaliam-pony, nanolotra omby roa sy vary 20 kitapo ho an’ny Asief ny Governemanta. Tsiahivina, taranja maro no handraisan’ny governemanta anjara amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Efa nilalao baolina kitra ihany koa izy ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Barikadimy. Ny sabotsy 12 aogositra izao no hifarana ny fifaninanana nasionaly Asief 2023. Mpiasam-panjakana 20 000 no miara-mientana sy mandray anjara. Nahatonga solontena avokoa ny minisitera sy ny andrimpanjakana rehetra.

Mi.Raz

Partager sur: