« BeatBox battle Word Championship » : tompondaka maneran-tany i Do-B !

Misesy ny famirapiratry ny Malagasy mpanakanto, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Taorian’i Richianny Ratovo sy Fitiavana Ratovo, tany amin’ny lalaon’ny Fran­kô­fônia, nisongadina tany Berlin ihany koa i Do-B Raso­lofoarison. Tompondaka ma­neran-tany amin’ny BeatBox, sokajy «Vocal Scratch» man­tsy i Do-B ! Tontosa omaly alina, tao amin’ny Stade Hux­leys Neue Welt ao Berlin ny dingan’ny famaranana tamin’ny «BeatBox Battle World Championship». Mpanao beatBox efa manana ny lazany maneran-tany avokoa no nifaninana tamin’ny solontena malagasy, saingy nahintsany tsikelikely. Ilay frantsay
O Slim no nifanandrina farany tamin’i Do-B. Izy no nanomboka voalohany, saingy tsy taitra mihitsy ity Ma­lagasy mpanakanto ity niatrika ny anjarany. Nanome voninahitra ny mozika afrikanina izy, ary nampiasa ny teknika mampiavaka azy manokana. Na ny mpifaninana taminy aza niaiky ny talentan’i Do-B. «Efa nanonofy ity fotoana ity aho tamin’ny 10 taona lasa», hoy ny nambaran’i Do-B. Midika izany fa tsy tongatonga ho azy, fa nofy izay tanteraka taorian’ny asa sy ezaka nilofosany. Tsiahivina fa fanaovana feon-javamaneno amin’ny vava ny beatbox, ary manakaiky an’ireo fanaon’ny mpikosoka kapila ny nifaninanan’i Do-B.

Zo ny Aina

Partager sur: