Tsy mbola ahitana filaminana hatramin’izao ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany. Mifampitana hatramin’ny farany ireo mpifanandrina. Andaniny, ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ankilany, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha, mitarika ny “Collectif des Clubs de Foot-ball Malagasy” (CCFM).
Nanao antso avo, tamin’ny tambajotran-tserasera, efa am-bolana maro i Faneva Ima, tsy hankato ireo ambaratongam-pifidianana ataon’ny federasiona, ankehitriny ity. Mitaona ireo klioba ny tenany, nanomboka tany amin’ny fandatsaham-bato ho an’ny seksiona. Toy ny nanao antso an’efitra ihany anefa ny tenany, tamin’izany. Vitsy ireo nanohana azy.
Tsy mbola kivy ny lehilahy fa mbola manohy ny fanentanana indray ka mbola miangavy ireo filohana klioba rehetra eto Madagasikara indray amin’ny sabotsy 12 aogositra ho avy izao, hanatanteraka fivoriambe, hatao ao amin’ny efitrano malalaky ny kolejy ST Michel Amparibe. Rodobe ho an’ny baolina kitra no hiantsoany izany. Tokana ny tanjona, handrava ny sata mifehy ny baolina kitra misy ankehitriny. Ambarany fa manome vahana sy tombony ho an’olom-bitsy izany fa ny tena mpisehatra zara fa mahazo ny anjarany, ka tsy ekeny.
Mandeha ny mandeha
Amin’io andron’ny sabotsy io koa no hanatontosana ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy manerana an’i Madagasikara. Mandeha ny mandeha hoy ny federasiona fa izay tsy hanao mahazo mijanona. Manoloana izany, betsaka ireo manakiana fa misy ireo filohana ligy efa tsy namely mbola miverina milatsaka indray ary tsy misy mifaninana aminy. Ho hita eo izany izay haharesy amin’ity.
Tompondaka