Diviziona 2 Nasionaly: resin’ny FC Inate Vakinankaratra ny ASJ FC

Notanterahina omaly, ny andro faharoan’ny fifaninanana «Ligue des Champions 2023», taranja baolina kitra, diviziona faharoa, nasionaly. Tany amin’ireo toerana efatra: Antsiranana, Ambatondra­zaka, Tsiroanomandidy, Toli­ara no nanatontosana izany. Araka ny vokatra voaray, resin’ny solontenan’i Vakinan­karatra FC Inate, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny ASJ FC, nihintsana tao amin’ny “Orange Pro League”. Fihaonana notanterahina tany Tsiroanomandidy.
Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny FC Rouge Analamanga sy ny AS3A Amo­ron’i Mania. Araka izany, mbola isa iray ihany no azon’ny eki­pan’Analamanga hatramin’izao.
Marihina fa mizara dingana telo ity fifaninanana ity. Raha tsy misy ny fiovana, ny 4 hatramin’ny 13 aogositra, ny fihodinana voalohany. Ny 8 – 17 septambra ho avy io ny dingana faharoa, raha toa ka ny 4 – 8 oktobra ny farany. Ireo ekipa roa manao famaranana no hiakatra ao amin’ny fifaninanam-pirenena “OPL”.

Fitia

Voka-dalao nandritra ny andro faharoa :
Antsiranana :
AS Justice (1) vs (1) Five FC (Releg.OPL)
AS Vanilatsika Sava (2) vs (4) Espoir Betsiboka
FC Zoya Boeny (3) vs (1) KFCA Diana
Ambatondrazaka :
AS 3A Amoron’i Mania. (1) vs (1) FC Rouge Analamanga.
FCA Analanjorofo (0) vs (2) FCT Itasy.
TGBC Atsinanana (0) vs (0)3 FB Alaotra Mangoro
Tsiroanomandidy :
FC Leader Menabe (2) vs (1) FC Zanagasy Vatovavy Fitovinany.
FC Inate Vakinankaratra (3) vs (1) ASJ FC (Releg. OPL)
Jet Bongolava (4) vs (0) MTM Melaky
Toliara :
Tsaraofana Matsiatra Ambony (2) vs (0) FC JSA Ihorombe
AS JM Androy (2) vs (2) FC Vert Blanc Anosy
FC Menagnara (0) vs (4) Betania Atsimo Andrefana

Partager sur: