Fahasalamana : nanampy ireo reny sy ny zaza ny loholona Ndriana

Nanao hetsika momba ny fahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza ny loholona, Rakotondrainibe Michel na i Ndriana. Nanomboka ny faran’ny volana jolay 2023 teo izany ka nanaovana hetsika manokana ny fisafoana sy fizahana fahasalamana maimaimpoana. Anisan’ny nanaovana izany ny teny Imeri­nafovoany sy ny manodidina, ho an’ny distrikan’Ambo­hidratrimo. Nitohy teny amin’ny “Centre de Santé” Ma­mindra Aina, Alasora, dis­trikan’Antananarivo Avara­drano. Toeram-pitsaboana natsangan’ny MMM izao nanaovana hetsika manokana izao ny 4 sy ny 5 aogositra teo. “Natao indrindra izao fanohanana izao mba hanampiana ireo reny sy ny zaza, manoloana ny fahalafosan’ny saran’ny fahasalamana. He­tsika hanamaivanana ny fiatrehan’izy ireo ny fahasahiranana amin’ny andavanandro koa anefa izany”, hoy ity loholona avy amin’ny MMM ity.
Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ny faritra hafa ny fisitrahana izao hetsika momba ny fahasalamana maimaimpoana izao.

Synèse R.

Partager sur: