Fanaovana hosoka : voatazona am-ponja ilay zandary

Nolavin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny zandary iray, ny zoma 28 jolay teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny faha-21 jona, noho ny halatra sy fampiasana marika ana orinasa mpanao simenitra iray tsy nahazoana alalana
no nahavoampanga azy. Vokany, niakatra teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha, ny zoma teo. Nodinihina tamin’izany ny antontan-taratasy momban’ny fangatahany fahafahana vonjimaika. Araka ny angom-baovao tamina manamboninahitra iray eo anivon’ny zandary, efa ny taona 2014 io voasaringotra io no nanodinkodina lohamenaka jirofo. Io entana io izay nogiazana tao Fenoarivo Atsinanana. Nosoloin’io zandary io rano tao anaty zerikanina izany. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.

Sajo

Partager sur: