FANTINA sy FINTINA

Haneho ny heviny momba ny fifidianana Razafinjoelina Tahina. Hanambara ny vina ho an’i Madagasikara sy hiresaka momba ny fiainam-pirenena anio ilay mpandraharaha, Razafinjoelina Tahina. Mpampianatra sy mpitantana orinasan-tserasera izy. Arahina amin’ny fahitalavitra tsy miankina, maromaro izany fanehoan-keviny izany. Tombanana fa mety ho kandidà filohan’ny Repoblika ny tenany.

Efa betsaka ireo mpitarika politika efa niomana ho kandidà ho filohan’ny Repoblika, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny fikambanana “Action sociale pour développer (ASD)”, Andriamanana Nivoarivony. Matoa nilaza hirotsa-kofidina izy ireo, azo atao tsara amin’ny lalàna efa misy ny fifidianana. Koa manentana ny olom-pirenena tsy hanaiky horebirebena intsony amin’ny hoe tsy hisian’ny fifidianana izy.

Mafy loatra ny tsy fitovian-kevitra sy ny endrika fifampihantsiana eo amin’ireo mpisehatra politika, araka ny Fivondronan’ny Silamo demokraty. Ahina hiteraka korontana izany.Tokony hisy ny fifampiresahana sy firaisan-kina eo amin’ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena hiantohana ny fangaraharana sy ny faneken’ny rehetra ny fifidianana. Vonona handray anjara sy hifanome tanana amin’izany ry zareo.

Partager sur: