Miofana momba ny haitarika any amin’ny oniversiten’i Harvard any Massachussetts- Boston, Etazonia, Razafimamonjy Laza Rabary. Tanterahina amin’ity volana aogositra ity izany mba hahazoana ny antsoina hoe “Certificate of leadership excellence (CLE)”.
Anisan’ireo mpampiofana eny amin’ny sekoly ambony ho an’ny mpiasam-panjakana Enam ny tenany. Efa mpikambana teo anivon’ny filankevitra siantifika “Conseil scientifique” tao amin’ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL) ao amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny taona 2014- 2018, izy.
Efa eo am-panomanana ny “Doctorat en droit” any amin’ny oniversite Andrainjato, Fianarantsoa koa amin’izao fotoana izao.
Synèse R.