Handball – “IHF Trophy Continental” : hifanandrina amin’i Côte d’Ivoire i Madagasikara

Hotanterahina manomboka rahampitso 8, hatramin’ny12 aogositra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny fifaninanana iraisam-pirenena “IHF Trophy Continental”, taranja HandBall, vehivavy. Araka izany, ny mpampiatrano Côte d’Ivoire no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena malagasy, Akio de Madagascar, sokajy “junior”.
Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka amin’ny 7 ora hariva ora eto Madagasikara ny fihaonan’ny roa tonta. Tsiahivina fa ny zoma 4 aogositra lasa teo izy ireo no niainga teto an-tanindrazana nihazo an’i Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny Akio sokajy “cadette” sy “junior”. Mpilalao 27 mirahavavy no hiaro ny voninahi-pirenena, amin’ity ka 14 eo amin’ny “cadette”, 13 “junior”. Marihina fa hanana ny lanjany goavana ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila, hiatrehana ny “IHF Trophy Mondial”.
Efatra ny firenena hiady izay ho lohany ho an’ny “junior” dia i Madagasikara, Côte d’Ivoire, mpampiantrano, Guinée ary Tanzanie. Efatra ihany koa ny “cadette” dia i Madagasikara, Rwanda, Gui­née ary i Nigeria. Hi­fandimby hihaona izy ireo ka hisolo tena an’i Afrika amin’ny « IHF Trophy Mondial », izay voalohany amin’ izany.

Fitia

Partager sur: