Mitady ny fomba rehetra hahazoana vokatra tsara amin’ny fiatrehanany ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, eo amin’ny taranja baolina kitra, ny Elgeco Plus. Nantsoin’i Raux Auguste sy Radafison Jimmy, mpanazatra ny Elgeco Plus, hanatevina azy ireo, i Tendry Mataniah, mpilalaon’ny Disciples FC sy i Feno, avy amin’ny Ajesaia.
Araka ny fanazavana nomen’izy ireo ho an’ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro lasa teo, lesoka teo amin’ny Elgeco Plus ny famonoam-baolina. Ireo mpilalao ireo no hita fa havanana amin’izany, amin’izao fotoana izao.
Raha tsiahivina, hihaona amin’ny Gaborone United-n’i Botsowana eo amin’ny lalao savaranonando, ny Elgeco Plus. Lalao mandroso, hatao any Gaborone, ny sabotsy 19 aogositra ho avy izao. Tsy mbola ao anatin’ireo hiatrika izany anefa i Tendry sy i Feno, fa mbola hanampy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Ho eo kosa nefa ry zalahy amin’ny lalao miverina, ny alahady 27 aogositra ho avy izao.
Nambaran’ny tomponandraikitry ny Elgeco Plus fa mety hatao amin’ny andro alina io fihaonana miverina io, noho ny mbola fisian’ny atletisma, amin’ny lalaon’ny Nosy. Miezaka ihany anefa izy ireo, mba hahazo fankatoavana avy amin’ny Caf sy ny Fifa ny kianja Elgeco Stadium By-Pass. Raha eken’izy ireo io fotodrafitrasa io, tsy misy ny olana fa eny ny hanaovana ny lalao miverina.
Ankoatra izay, hanainga ny talata 15 aogositra ny Elgeco Plus raha tsy misy ny fiovana.
Tompondaka