Lalaon’ny Frankôfônia : laharana faha-13 i Madagasikara

Nifarana, omaly, tany Kinshasa RD Congo, ny lalaon’ny Frankôfônia. Laharana faha-13 amin’ny firenena 37 nandray anjara i Madagasikara.

Medaly miisa 9 no norombahin’ny Malagasy, nandritra ny andiany faha-9, lalaon’ny Frankôfônia, notanterahina tany Kinshasa RD Congo, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra lasa teo. Medaly volamena, azon-dRasoanaivo Razay Laura, taranja Judo, niampy ny medaly volamena azon’i Fiadanantsoa Sidonie, teo amin’ny taranja atletisma 100m misy fefy ary ny azon’i Richiany Ratovo, teo amin’ny hosodoko. Medaly volafotsy 4 kosa norombahan-dRakotovao Narindra, judo, Rakotoniaina Mbola, taranja tolona, Rakotoarimanana Fabio, tenisy ambony latabatra ary ny teo amin’ny “Sculpture”. Mbola niampy medaly alimo roa, teo amin’ny taranja tolona sy basikety, sokajy vehivavy ireo medaly azon’i Madagasikara ireo. Tsara ny vokatra amin’ny ankapobeny na dia teo aza ny olana nosedraina, araka ny nambaran’ireo atleta. Efa nisy ny delegasiona malagasy tonga eto Madagasikara, raha toa ka rahampitso talata kosa ny ankamaroany no higadona eto an-tanindrazana. Nanamarika indrindra ny fandresena azon’i Laura, teo amin’ny taranja Judo, -70kg, izay efa tamin’ny Golden score no nahazoany ny fandresena nanoloana ilay Judokas Kanadiana. Teo ihany koa ny fandresena azon’ny Ankoay nanoloana ny Liban, teo amin’ny taranja basikety, ka nahazoana ny laharana fahatelo. Sambany no nahazo medaly ny taranja basikety, tamin’ny lalaon’ny Frankôfônia. Nahazo ny anarana mpilalao mendrika indrindra nandritra ny lalaon’ny Malagasy, Hajanirina Murielle, Rakotobe Kristina ary Minaoharisoa Chistiane, izay samy mpilalaon’ny Mb2All. Tsara ihany koa ny manamarika fa vehivavy ny ankamaroan’ny nahazo medaly izay manaporofo fa mafy ny Malagasy vehivavy, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny delegasiona, Tale Jeneralin’ny Spaoro, Rakotozafy Rosa. Hifantoka amin’ny lalaon’ny Nosy higadona afaka tapa-bolana indray izany izao ny tontolon’ny fanatajahantena malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: