Lomano – Lalaon’ny Nosy : hitohy eto Antananarivo ny fampivondronana

Anio no hiakatra aty Anta­nanarivo ny ekipam-pirenena malagasy, hanohy ny fampivondronana, tafiditra amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023, taranja Lomano. 22 mianadahy (10 vavy sy 12 lahy) izy ireo, ka 2 ihany no mpila ravinahitra dia i Gervois Noa, izay efa eto an-toerana sy i Nomena Jauslin, izay ho tonga amin’ny 17 aogositra eto Ma­da­gasikara. Tsiahivina, taorian’ny fifaninanana fitsapana farany, avy hatrany dia nijanona tany Toamasina ny ekipam-pirenena niatrika ny fampivondronana. Antony nahatonga ny safidy, ny fananana ny dobo filomanosana 50m ao amin’ny CJST, miaraka amin’ny toetr’andro mafana saingy tsy izay no nitranga satria dia somary nisedra olana kely ihany izy ireto noho ny andro nangatsiaka tany an-toerana. Na teo aza izany, nizotra tsara ny fampivondronana, izay manao adin’ny roa maraina sy mikotrana adin’ny roa amin’ny hariva, mandritra ny herinandro. Ho an’ity taranja ity, efa azo eritreretina ny isan’ny medaly ho azontsika, izay marihina fa tsy misy fahagagana izany. Raha ny fantatra, efa afaka hilomano ao amin’ny ANS Ampefiloha ireto ekipam-pirenena ireto.

Mi.Raz

Partager sur: