« Manal’azy tanora zokiny » : afa-po tamin’ny seho ny rehetra

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny anoloan’ny Gara Soarano, ny fampisehoana «Manal’azy tanora zokiny» niaraka tamin’i Olombelo Ricky. Seho nihaon’ny mpankafy ity tarika ity indray tamin’ny mpankafy azy. Maro ny mpankafy tonga teny an-toerana niara-paly sy nikorana. Nandritra ny fampisehoana, nisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny tarika Tsimihole. “Henika sy tretrika isika…” hoy i Ricky teny am-pamaranana ny fampisehoana sady nankasitraka ny mpijery sy ny mpikarakara ary ny nandray anjara rehetra.
Tonga maro nankafy sy nihanoka ny fampisehoana “Manal’azy tanora zokiny” ny mpankafy Olombelo Ricky. Novazon’ny tarika tao avokoa ny hira nahafantarana sy nankafizan’ny olona azy. Anisan’izany ny “Ditsoka”, “Mbola zaza”, “Naleoko ihany”, “Iny havako iny”… Nampiavaka ity fampisehoana ity ny fahafahana misakafo sy mijery fampisehoana miaraka, nefa ankalamanjana. Zary lasa fomba fanaon’ny tarika sy ny mpankafy azy, isan-taona, ity hetsika “Manal’azy” ity, ary samy mahazo ny anjarany avokoa ny salan-taona rehetra ao anatin’izany.

Lin M.

Partager sur: