TARATRY ny KANTO

Kanto Manabe. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, mandritra ity volana Aogositra 2023 ity, ny fampirantiana sary, karakarain’ny Sekolin’ny Sary, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Ankizy sy Tanora, manodidina ny 15 taona no mampiranty ny sanganasa sy ny talentany amin’izany.

“Salon des jeux de société”. Tanterahina eny amin’ny AFT Andavamamba, manomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 19 aogositra 2023, ny hetsika «Salon des jeux de société». Kilalaon-tsaina maro samihafa no ho hita mandritra ny hetsika. Hisy ihany koa ny fifaninanana sy fampianarana ary fampahafantarana azy ireo ny tsirairay.

Kianjan’ny Hiragasy. Hipok’olona nijery ny hiragasy nikatrohan’ny tarika Ranoelison Ampahimanga sy Dadalora Manalalondo, teny amin’ny Kianjan’ny Hiragasy, Ampefiloha, omaly. Andro voalohany nampiasana azy, ity omaly ity, taorian’ny fitokanana ny alahady 31 jolay 2023 lasa teo.

“Festival Somarôho 2023”. Miditra amin’ny herinandro faharoa ny hetsika lehibe, “Festival Somarôho” andiany fahafolo, tanterahina any Nosy-be. Anaty efitrano avokoa no hanatanterahina ny seho rehetra mandritra ity herinandro ity; ary faranana amin’ny fampisehoana goavana ataon’ny tarika Wawa izany.

Partager sur: