Tombontsoa… ratsy

 

Tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana na fanakorontanana? Indrindra amin’ny politika… Resaka ka atao, tian-kateza. Misy ndeha hinia hanakorontana fotsiny izao ve raha tsy mahita sy mikendry tombontsoa amin’izany? Manakorontana mba hahazoana manararaotra ny toe-javatra hanilihana na hanapotehana ny hafa, ohatra, na hakana bahana na vahana raha ratsy toerana ny tena, na hangalarana na handrobana tsy inona fa maka eo imason’ny tompony fotsiny izao…
Tena misy ny mahita sy mikendry tombontsoa manokana amin’ny korontana. Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany ny eo amin’ny tontolo politika? Eny, na ny mpanao sy mpilalao politika no tena mpihirahira ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana. Nefa ny sasany amin-dry zareo no tena mpamboly korontana. Manomboka amin’ny fanehoan-kevitra amin’ny teny tsy voahevitra izany, na fihantsiana, na fanaratsiana… Misy tonga amin’ny famoahana sy fanelezana vaovao tsy marina na tsaho fotsiny izao, na fandikan-dalàna, na fikomiana sy fitaomana olona amin’izany…
Tsy inona no antony sy fototr’izany rehetra izany fa politika. Na fikatsahana sy fiadiana fahefam-panjakana. Tombontsoa manokana no mampihazakazaka? Eny, fantatra sy efa niainana izao aza fa tsy moramora ny manarina ny fahavoazana: tsy ahoan’ny sasany izay mety ho fahapotehana sy faharavana amin’ny fanakorontanana. Iniana atao ihany? Tsy mahagaga raha misy ny lany henatra amin’ny fiadiana fiaraha-mitantana isaky ny mihetsika. Izany no mahatonga ny krizy politika miverimberina?
Nefa ny vahoaka hatrany no tena maty antoka sy voa mafy, raha misy ny mahita sy mahazo tombontsoa manokana amin’ny korontana. Tsy inona fa tombontsoa… ratsy. Tsy ny afitsoky ny mpanao politika ve no anisan’ny fototra sy fositra amin’izao fahasahiranam-bahoaka izao?

R. Nd.

Partager sur: