Misy ny fitaovana ilaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra, novidiana tany amin’ny foiben’ny Firenena mikambana (UNOPS). Hanohanana ny Tetikasa fampandrosoana an’i Menabe sy Melaky, andiany faharoa (AD2M), ireo fitaovana ireo, ka hiantohan’ny fanjakana ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny ladoany.
Mitaky ny hamerenan’i Comores ireo volamena milanja 49 kilao ny fanjakana malagasy. Naondrana an-tsokosoko tany amin’ity nosy ity ireo harena an-kibon’ny tany ireo, tratra ny 28 desambra 2021. Malagasy miisa roa sy Kaomoriana iray no tratra, voalaza fa efa tafiditra ao anatin’ny raharaha volamena milanja 73 kilao ihany koa izy ireo.
Nahazo fiara sy fitaovana ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (CENADERU-Fofifa). Fanomezana avy amin’ny Fondation OCP, avy amin’ny fanjakana maraokanina, ireo fampitaovana ireo. Hiantohan’ny fanjakana malagasy ny hetra sy ny ladoany hampidirana azy eto amintsika.
Manamboatra ny toby famokarana herinaratra manana tanjaka 105 MW eny Ambohimanambola ny orinasa Trigu Energy. Mampihena ny fatiantoka ara-bolan’ny Jirama ny fahavitan’ity toby vaovao ity, satria ho foana ny fifanarahana sasany amin’ireo orinasa tsy miankina mivarotra angovo lafo aminy.