Fampianarana eny amin’ny EPP : 35 000 Ar ka hatramin’ny 60 000 Ar ny latsakemboka efaina

Na tsy andoavam-bola aza ny fampianarana eny amin’ny EPP miankina amin’ny fanjakana, misy ny latsakemboka hanakaramana ny mpampianatra Fram efain’ny ray aman-dreny.

Efa mandray ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 ny eny amin’ny sekolim-panjakana. Ho an’ny EPP Antanandrano, taorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana CEPE, araka ny tapaky ny fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no na­nomboka ny fisoratana anarana ary mitohy hatramin’izao. 30 000 Ar isaky ny ray aman-dreny ny latsakemboka Fram efaina hitsinjovana ny isan-tokantrano, indrindra ireo manan-janaka telo na efatra, hoy ny talen’ny EPP, Rajoarihery Victor William, omaly. Efatra ny mpampianatra Fram mbola karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, amin’izao fotoana. Tao anatin’ny roa taona nisesy, tsy nandray ny “caisse école” mihitsy ny EPP Antanandrano ka sahirana nitady vola hampihodinana ny asam-pampianarana, araka ny voalazany. Ny malala-tanana no nanohana nahafahana nividy tsaoka sy ireo fitaovana madinidinika tsy maintsy ampiasaina any an-dakilasy. Hivory indray ny ray aman-dreny amin’ny fidirana hanapahana ny fitadiavam-bola mandra-piandry ny “caisse école” avy any amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Ho an’ny EPP ao amin’ny “Zone d’admnistration pédagogique (Zap)” fahadimy, 60 000 Ar isaky ny ray aman-dreny no aloa hanakaramana ny mpampianatra Fram ma­nampy ireo mpampianatra mpi­asam-panjakana. Any amin’ ny banky no handrotsahana ny vola ka ny taratasy fanamarinana no aterina miaraka amin’ ny antontan-taratasy fisoratana anarana. Nanambara ny ray aman-dreny amin’ny EPP iray eto an-drenivohitra fa 35 000 Ar isaky ny mpianatra no takin’ny sekoly mbola miampy 2 000 Ar hividianana karine fifandrasaina any an-dakilasy. Tsy maintsy sora-bola feno no omena rehefa manoratra anarana.

Vonjy A.

Partager sur: