Fampianarana sy kolontsaina : hotokanana ny Tranombakoka « J. Nalisoa Ravalitera »

Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, mpanabe, mpikaroka, mpanoratra, mpikabary… Ireny rehetra ireny, voarakitra avokoa ! Hotokanana ny 12 aogositra 2023 izao, amin’ny 9 ora maraina, ny Tranom­bakoka « J. Nalisoa Ravali­te­ra ». Trano miorina ao Tsara­ho­nenana Imerimandroso Alaotra. Ho voarakitra ao anatin’ity tranombakoka ity avokoa ny mombamomba an’i Nalisoa Ravalitera. Ny fiainany, ny sanganasany, ny andraikitra efa notanany teto amin’ny firenena, sns.
Jean Nalisoa Ravalitera, akademisianina, mpikambana ao amin’ny havatsa-Upem, Faribolana Sandratra, Fi­kam­banan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Mahatratra 500 mahery ny tononkalo nosoratany. Maro ny boky navoakany. Ao ireo niarahany tamina mpanoratra hafa, fa tao koa ny navoakany samy irery. Anisan’ireny ny « Fary Mamy », boky fampianarana niarahany namolavola tamin-dRavelomanana Her­man sy R. Fanomezana, ny boky « Tapa-porohana » azy ma­nokana. Ny « Fitia sy fi­tia », boky mirakitra tononkalo. Ny « Made sy zetra » boky mirakitra tantara, sns.
Marihina fa anisan’ny mpanoratra manandratra avo ny hasin’ny teny malagasy i Nalisoa Ravalitera. Nandalina izany rahateo izy na manana ny mari-pahaizana « doctorat ». Teny malagasy ranoiray no nanatanterahiny ny fanohanan-kevitra nataony tamin’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: