« Salon des jeux de société » : omena lanja manokana ny vita malagasy

Ambohipihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny kilalaon-tsaina ny eny amin’ny AFT Andavamamba, nanomboka omaly. Karazana kilalaon-tsaina maro samihafa no hita eny an-toerana, anisan’izany ny antsika malagasy sy ny vao nivoaka.

Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 19 aogositra 2023, ny hetsika « Salon des jeux de société », atao eny amin’ny Alliance française d’Antana­narivo (AFT) Andavamamba. Hetsika efa fanaon’ny AFT izy ity, ary nitondrana fanatsarana sy nampifanarahana ny zava-misy ankehitriny ny tamin’ity taona ity. Lalao, fifaninanana, fampianarana ary fampahafantarana ireo kilalaon-tsaina, indrindra ireo vita malagasy no handravaka ny hetsika mandritra ny tapa-bolana hanaovana azy. Maro samihafa ny tanjon’ny mpikarakara amin’izao hetsika izao. Ani­san’izany ny fitaizana sy fanabeazana amin’ny alalan’ny kilalaon-tsaina. Eo ihany koa ny fampiroboroboana sy fampahafantarana izany kilalao izany eto Madagasikara.
Fotoana lehibe, ho an’ny mpankafy sy mpiangaly ny kilalaon-tsaina ny roa herinandro hanatanterahana ny « Sa­lon des jeux de société ».
Hizara roa ny hetsika. Lalao sy fampianarana ary fampahafantarana ny kilalaon-tsaina maro samihafa no handravaka ny herinandro voalohany. Anisan’izany ny échec, scrabble, belote, tanolevy, tsimok’arret, lamako… Fifani­nanana sy filalaovana ny kilalaon-tsaina amin’ny endriny lehibe no hatao mandritra ny herinandro faharoa ary fanolorana ny amboara ho an’ny mpandresy no hamaranana ny hetsika, ny 19 aogositra 2023.
Ankoatra izay, omena vahana ary hasongadina manokana, mandritra ity hetsika ity, ireo kilalaon-tsaina vaovao, indrindra ny vita malagasy. Anisan’izany ny lamako, Mada memory, tsimok’arret, tanolevy. Ny échec, scrabble, dame, Go, belote, loup garou, yu-gi-oh duel, strikers, super smash, Mario kart no hisy fifaninanana.

Lin M.

Partager sur: