Nihaona tamin’ny mpiasan’ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any Mahajanga ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, ny herinandro lasa teo. Nanotrona azy koa ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga. Nohamafisiny fa manan-danja lehibe amin’ny fandrindrana ny asa an-dranomasina ny fanajana ny aroloza. Toraka izany ny fanarahana ny fenitra amin’ny asa an-dranomasina sy ny an’ny tantsambo napetraky ny APMF.
Nifampidinihina tamin’ny mpiasa ny zava-misy iainan’izy ireo. Nojerena koa ny sakana sy ny olana amin’ny fanatanterahana ny asa ary indrindra ny vahaolana sy ny fanatsarana azo atao, mba hifanaraka amin’ny vinan’ny fanjakana.
Nanome toromarika ny minisitra Ramonjavelo Valéry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny fitantanam-paritry ny Fitaterana sy ny toetr’andro any amin’ny faritra Boeny sy Melaky.
Njaka A.