Badminton : tsy manara-penitra ny «tapis» hikotranana

Manana olana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja badminton, amin’izao fotoana, hanomanan-tena amin’ny lalaon’ny Nosy. Tsy manara-penitra mantsy ny “tapis”, ha­naovana fanazarantena eny Vontovorona, ka misy ireo maratra. Nambaran’ny Sinoa manam-pahaizana, mitarika azy ireo, fa manify loatra ilay “tapis” ka izany no mitarika ny fahavoazan’ny atleta. Mangataka amin’ny tomponandraikitra ny tenany mba hanome ny “tapis de compétition”, hahatomombana tsara ny fanomanana.
Ankoatra izay, olana sedrain’ny ekipa malagasy koa ny tsy fampiasana ny baolina “volant de compétition”. Tokony efa hizatra izany koa ireo mpilalao, amin’izao tapa-bolana mialoha ny fifaninanana izao. Tsiahivina, 17 mianadahy ireo mivondrona eny Vontovorona. 2 andro mialoha ny lalao vao hivoaka ny anaran’ireo 6 lahy sy 6 vavy mandrafitra ny ekipam-pirenena. Mikendry ny handrombaka me­daly volamena 4 amin’ireo 7 hiadiana ny badminton. Mi­saotra ny minisitry ny Varotra, Razafindravahy Edgard, “coach”, izy ireo manampy ara-tsakafo ny atleta.

Tompondaka

Partager sur: