Banky foiben’i Madagasikara : niakatra ny tahan’ny zanabola

Nivory omaly 8 aogositra, ny vaomieran’ny vola ao amin’ ny Banky foiben’i Mada­gasi­kara (BFM). Tinapaka fa hampiakarina ny tahan’ny zanabola ao aminy ho an’ny bankim-barotra. Niakatra ho 9% ny tahan’ny zanabola ho an’ny fametrahana vola (facilités de dépôt), ary lasa 11% ny tahan’ ny findramam-bola (facilités de prêt marginal).
Nahatonga ireo fanapahan-kevitra ireo ny fahatsapan’ny BFM fa miadana ny fivoaran’ny vidin-javatra ny volana avrily sy jona 2023 teo. Midan­gana ny vidim-piainana ka mila arovana izany mba hanarenana ny toekarena. Manom­boka ahitam-bokany ny ezaka natao mba haha marin-toerana ny sandam-bola Ariary, ka hamerenana ny fidangan’ny vidim-piainana tamin’ny tahany talohan’ny taona 2020, manodidina ny 6%.
Manamarika ny BFM fa mila ahitsy ny tolotra sy ny tinady manoloana ny tsy fifandanjan’ny tsena eto anatiny. Toraka izany koa ho an’ny tsenam-bola vahiny. Mahaton­ga izany ny krizy maneran-tany amin’ny lafiny politika, miantraika any amin’ny fidangan’ny vidim-bokatra fototra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Vokany, lasa marefo ny fitomboana ara-toekarena. Manara-maso akaiky ny fivoarany ny BFM.

Njaka A.

Partager sur: