Lavo teo am-panombohana ny Akio, vehivavy, nandritra ny fifaninanana afrikanina “IHF Trophy Continental”, izay atao any Côte d’Ivoire, ny 8 – 12 aogositra ho avy izao.
Notanterahina omaly tany Abidjan Côte d’Ivoire ny andro voalohan’ny fifaninanana “IHF Trophy Continental”, taranja handball, sokajy vehivavy “cadette” sy “junior”. Resy avokoa ny Akio tamin’izany. Ho an’ny sokajy “cadette”, lavon’i Rwanda tamin’ny isa 46 no ho 21 i Madagasikara, saingy voahosotra ho mpilalao mendrika tamin’io fihaonana io i Fredia. laharana fahavalo ny Akio de Madagascar.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, nanindry tanteraka ny ekipa roandey nandritra ny fe-potoana 60 minitra. Nisaraka tamin’ny isa 10 no ho 25 izy ireo teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, resy ny Akio. Teo amin’ny fidirana faharoa, hita fa tsy ampy ny tanjaka ho an’ny Malagasy ka niafara tamin’ny isa 46 no ho 21 ny lalao, nandresy ny mpilalaon’i Rwanda.
Nomontsanin’i Côte d’Ivoire
Raha ny sokajy “Junior”, nomontsanin’i Côte d’Ivoire i Madagasikara. Marihina fa nanjakan’ny mpampiantrano tanteraka ny fihaonana, resy tamin’ny isa 18 no ho 6 ny Akio teo amin’ny fidirana voalohany, raha toa ka isa 32 no ho 11 ny nentina nisarahana. Tsiahivina fa izay voalohany amin’ity fifanintsanana ity, tafita hiatrika ny “IHF Can 2023”.
Fitia