Raikitra ! Manomboka anio, hiaina andro maromaro ao anatin’ny jazz ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny Ivokolo Analakely (Cemdlac teo aloha) no hisantaran’ny «Jazz Kids» ny fandaharam-potoanan’ny hetsika «Jazz@tohatohabato», andiany faha-12. Ireo mpilalao jazz ao anatin’ny fahazazana sy fahatanorana no haneho ny talentany. Ao ny hitendry gitara, piano, hikapoka amponga maroanaka…
Nambaran’ireo mpilalao jazz sy ireo mpampianatra jazz (teratany sy vahiny) efa nandalo teto Madagasikara tao anatin’izay nisian’ny «Jazz@tohatohabato» izay fa «manana ny hoaviny tsara ny jazz eto Madagasikara, noho ny fisian’ireo ankizy sy tanora havanana amin’ny fitendrena jazz».
Raha ny fanazavan’izy ireo hatrany : «toa tsy zava-baovao ho an’ny Malagasy ny jazz fa tahaka ny ra efa mikoriana ao anatiny».
HaRy Razafindrakoto