J-15 amin’ny fanombohan’ ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina anio. Fihaonana hotanterahina eto Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana farany avokoa ireo firenena rehetra handray anjara amin’izany. Mila mailo ny Malagasy, satria ho mafy ny hiady ny medaly volamena sy ny filaharana voalohany amin’ity.
Mila miezaka mafy ireo federasiona isanisany amin’ny fanomanana ireo atleta. Mandady mantsy ny trambo. Efa azo hitarafana ny mety ho herijikan’ny Malagasy ny laharana tany amin’ny lalaon’ny Frankôfônia, natao tany Kinshasa, farany teo.
Nosongonan’i Djibouti sy i Maurice mantsy i Madagasikara teo amin’ny fahazoana medaly. Ireo firenena ireo izay samy handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy avokoa. Raha tsiahivina, faha-11 i Djibouti raha faha-8 ry zareo Maorisianina. Samy nahazo medaly volamena 4 avokoa izy ireo. Djibouti, saika mitana ny rambony hatrany tamin’ny lalaon’ny Nosy, hatramin’izay saingy raha ny dingana vitany, mety hanozongozona firenena maro, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Ry zareo Maorisianina indray, manana ny hoenti-manana ka afaka manoman-tena any Eoropa. Anisan’ireo andrarezina sy manana herijika ny ho voalohany. Tsy tokony hatoritory ny Malagasy, manoloana azy ireo, fa tsy hitsangantsangana akory ny handehanany aty.
Tompondaka