Miovaova ny maripana : maro ny olona voan’ny gripa mahery

Betsaka ny olona mividy fanafody fampiakarana hery fiarovana sy fampidinana hafanana eny amin’ny farmasia amin’izao fotoana izao.

Mihamahery ny fise­hoan’ny gripa amin’
izao fotoana izao, hoy ny mpitsabo eny amin’ny hopitalim-panjakana sy ny dokotera tsy miankina eto an-drenivohitra. Tratrany avokoa na ireo mbola madinika na ny olon-dehibe, indrindra ireo manana toe-tena efa marefo. Aorian’ny fizahana, hita fa voan’ny gripa na aretin’ny taovam-pisefoana (IRA) avokoa ny 50% amin’ireo tonga ma­natona tobim-pahasalamana. Indraindray mikohaka maharitra sy miverimberina ilay marary ka amin’izay fotoana izay, tena mila manao TDR fa miankina amin’ny fahafaha-mividin’ilay marary. Tsy manome TDR intsony ny fanjakana hampiasaina eny amin’ny hopitaly na tobim-pahasalamana hitiliana ny Covid-19. Tsaboina araka ny soritraretina aloha ilay olona ary ampiana fanafody mampiakatra ny hery fiarovany.

Mila mampiditra antibiotika

Ho an’ny mpitsabo tsy miankina amin’ny fanjakana, mitovy amin’izay koa ny zava-misy, mihamaro ireo olona isehoana sery miharo kohoka sy fanaviana. “Rehefa tsy mihafana amin’ny fampiakarana ny hery fiarovana sy ny fitsaboana ny soritraretina, tsy maintsy mampiasa antibiotika ny mpitsabo ka amin’izao fotoana izao voatery mampiditra io karazana fanafody io hatrany izahay”, hoy ny dokotera. Toroana hevitra hitondra arovava sy orona koa ilay marary tsy hamindra amin’ny ankohonana ary hihinana sakafo toy ny voankazo sy legioma manta. Rehefa isehoan’ny gripa, tsara raha rano mafana no sotroina mandritra ny tontolo andro ary ampitomboina ny fatra.
Mila ampifanarahana amin’ny toetry ny andro ny fitafy fa mbola ao anatin’ny vanim-potoana ririnina izao.

Vonjy

Partager sur: