Na tsy nisy aza ny soratra : nifampatoky ny Malagasy

Izay voasoratra dia voasoratra ! Fehezanteny manambara ny lanjan’ny soratra amin’izao vanim-potoana izao. Tsy azo hivadihana na ho­dian-tsy hita, fa manana hery matanjaka hoenti-mifampifehy. Ireo sehatra nampiasana azy rahateo mametraka sahady io lanjany io. Nanoratana ireo didy aman-dalàna ifampifehezana. Tahaka izany ihany koa ny fifanarahana isan-karazany, fifampivarotana, fananganan-jaza, sns.
Na tsy nisy aza ny soratra fahiny, nifampatoky ny Mala­gasy. Natao am-bava (tadidy vava sy lovantsofina) ny fifanarahana na fifanekena nifanaovan’olon-droa na fianakaviana na ny mpiray vohitra,
na ny isam-bohitra. Nohama­fisina tamin’ny alalan’ireo fomba amam-panao samihafa izany ka vao mainka sarotra nivadihana.
Natsangan’ny mpiray ta­nàna ny vatolahy. Nataony ny fomba. Napetraka ny fifampifehezana ka : «izay mivadika amin’ireo, ho tojo ny loza, ho azon’ny atambo, tsy ho va­non-taranaka» ! Tsy nisy sahy nivadika na ny iray aza. Ni­lamina ny fiarahamonina. Saika nahitana tahaka io avokoa nanerana an’i Madaga­sikara fa ny endrika nanatanterahina azy no tsy nitovy noho ny fahasamihafan’ny fomba amam-panao.
… Ilaina ny hamerenana ny fifampitokisana amin’ny alalan’ny fomba amam-panao malagasy. Tsy hain’ny vahiny ireny ka tsy tokony hiandra­sana fanampiana avy any aminy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: