Baolina kitra. Tsy afaka ny hiatrika ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao Rakotoarisoa Baggio, Malagasy mpilalao baolina kitra, noho ny ratra mahazo azy. Tsy anisan’ireo mpilalao hifanandrina amin’i Angola ihany koa ny tenany.
Mondial vehivavy. Notanterahina, omaly, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Nomontsanin’i Frantsa, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 i Maroc. Ny ekipan’i Australie mpampiatrano no hifanandrina amin’izy ireo eo amin’ny ampahefa-dalana.
Lalaon’ny Nosy. Tonga nitsidika nanolotra tohanaina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar ny minisitra mpiahy azy ireo, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, sy ny Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (Seg). Hetsika natao omaly, teny Mahamasina.
Basikety. Tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, vehivavy U-25. Marihina fa avy niatrika ny fifanintsanan’ny lalaon’ny Frankôfônia natao tany Kinshasa, RD Congo, izy ireo. Tsiahivina fa tsy nitsanga-menatra ny vehivavy malagasy satria nitondra medaly alimo nody tamin’izany lalao izany.