Tale Jeneralin’ny CNaPS : « Tanjona ny hamerina ny fahatokisana »

Notanterahina, omaly, teny amin’ny CNaPS Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana, Tsaboto Joslina, sy ny tale jeneraly vaovao, Rahaingonjatovo Vimbina. Nanatrika izany Razafimanatsoa Jerison, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny lalàna sosialy sy Randrianasolo José, talen’ny filankevi-pitantanan’ny CNaPS ary ireo solontenan’ny mpiasa. “Laharam-pahamehana ny famerenana ny fahatokisan’ny rehetra ny CNaPS, na ny an’ny mpiasa izany, na ny an’ny mpikambana”, hoy Rahaingonjatovo Vimbina, tale jeneraly vaovao.
Vita soa aman-tsara ny famindram-pitantanana, maro ny asa miandry sy hotanterahina, araka ny nambaran’ny tale jeneraly vaovao, fa ny famerenana ny fahatokisana no atao laharam-pahamehana. Nihaona avy hatrany tamin’ny mpia­san’ny CNaPS ity tale jeneraly vaovao ity, taorian’ny nandraisany ny fitantanana.
Raha tsiahivina, ny didim-panjakana noraisina ny 2 aogositra 2023 no nanendrena an-dRahaingonjatovo Vimbina amin’ny toerany.

Lin M.

Partager sur: