5% ka hatramin’ny 6 % eo ho eo, amin’ireo tahirin’antontan-taratasy etsy amin’ny Arsivam-pirenena Tsaralalana ihany no mbola voavadika ho niomerika. Efa afaka jeren’ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny teknôlôjia vaovao izy ireo. Mba hisorohana ny fahasimbana na sanatria faharovitan’ny taratasy ny antony.
Tontosa sy efa afaka hanatanterahana seho ny Kianjan’ny hiragasy. Miandrandra ny hahazo ihany koa ny lalao fanorona. «Tokony hisy lakampanorona, ny fokontany tsirairay eto Madagasikara». Efa misy mpilalao fanorona rahateo manerana ny Nosy. Adidy lehibe eo an-tsoroky ny fokontany ny manatanteraka sy mamaly ny hetaheta tahaka izao !
Lecture en rire. Tontosaina anio, eny amin’ny boriborintany faharoa, ny hetsika “Lecture en rire”. Ny fikambanana Be tige, vondrona mpanao hatsikana, sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC, no mikarakara ny hetsika. Atrikasa vaky boky iarahana amin’ireo mpanao hatsikana no atao ao mandritra izany hetsika izany.
Anim’ato Mada. Miditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana “Anim’ato Mada”, ao anatin’ny “Rencontre de Film Court” no hanaovana ity fifaninanana ity. Ny vao misandratra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika no mahazo tombony amin’ity fifaninanana ity. Afaka mandray anjara avokoa ny rehetra, ary efa nisokatra ny fisoratana anarana amin’izany.