Maro ny tanora liana amin’ny fanaovana sary, ary tena manana talenta amin’izany izy ireo raha ny hita eny amin’ny fampirantiana “Diversité et Biodiversité de Madagascar”. Izany indrindra no nampisy ny tetikasa “Kanto Manabe” ho tombontsoan’izy ireo.
Haikanto maro samihafa no miranty ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny 30 aogositra 2023 vao hifarana ny fampirantiana “Diversité et Biodiversité de Madagascar”. Hetsika tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Kanto Manabe». Fiaraha-miasan’ny mpahay kanto, manao sary amin’ny tanana, amin’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina (DACVC) eo anivon’ny kaominina Antananrivo Renivohitra no nampisy izao hetsika izao. Lafin-javatra maro, misy eto Madagasikara no aseho ao anatin’izany ary vondrona mpanao haikanto, avy amin’ny Lycée, eto Antananarivo no mandray anjara. Fikambanana mpahay kanto maro no manohana azy ireo amin’izany. Tanjona ny hampiroborobo ny fanabeazana ara-javakanto eo amin’ireo tanora mandray anjara. Eo ihany koa ny fampivoarana ny famoronana eo amin’izy ireo sy ny fandraisana fahaiza-manao vaovao ho azy ireo hatrany.
Ny biby, ny zava-maniry, ny fahasamihafana ara-kolontsaina… no aseho an-tsary mandritra ny fampiratina. Ny vondrona mpahay kanto avy amin’ny Lycée 7 eto Antananarivo no manatontosa izany. Eo ny Lycée Nanisana, Lycée Jules Ferry Faravohitra, Lycée Andohalo, Lycée JJR Analakely, Lycée TPCG Mahamasina, LMA Ampefiloha ary ny Lycée Analamahitsy. Manohana sy mitondra ny fahaiza-manaony ho fampianarana ireto tanora ireto kosa ny Plum’Art, Varatava, C’Art Bon, Y-Third Arts, ProgressArt Work, izay fikambanana ivondronan’ny mpahay kanto mpanao sary matihanina.
Ho an’ny omaly manokana, atrikasa mahakasika ny fanaovana sary varatava no nozaraina ho an’ny mpandray anjara, ankoatra ny fampirantiana.
Lin M.