Tsy mety mifarana : hanamafy ny fitakiany ny Seces

Manantena ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces) fa ho tafiditra amin’ny lahadinika mandritra ny filankevitry ny governemanta any Toamasina, anio, ny fitakian’izy ireo. Hivory indray ny mpikambana rahampitso hijerena raha namaly ny fanjakana. Hanamafy ny hetsika fitakiana ny mpampianatra rehefa manao bemarenina ny fitondrana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendikà, Raharinirina Sammy Grégoire.
Tafiditra anatin’ny fitakiana ny fampiharana ny didim-panjakana dimy, ny fanondrotana ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny sokajin’asa «directeur de recherche», «professeur titulaire»…
Tantara mitohy tsy mety mifarana ny fitakiana zo ataon’ny Seces nandritra ny taona maromaro nifanesy. Nanamarika izy ireo fa ny fanjakana no minia tsy manatanteraka ny andraikiny. Miato aloha ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, hoy ny mpianatra. Misy ihany anefa mpampianatra sasany manohy ny asany eny amin’ny efitrano madinidinika. Malalaka rahateo ny safidin’ny tsirairay. Miandry ny fandoavana ny vatsim-pianarana efa-bolana ny mpianatra satria efa nivoaka ny tetiandro.

Vonjy

Partager sur: