Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanaovana trafikana sokatra. Voasambotra teo am-pivarotana sokatra izy roa lahy afakomaly, teny Ankorondrano. Ny polisin’ny Cybercriminalité no nahasambotra azy ireo. Ny 3 aogositra 2023 lasa teo, naharay fitarainana momba ny fisiana olona manao fanambarana anaty tambajotran-tserasera « facebook » milaza fa manana sokatra « pyxis arachnoide » amidy ny polisy misahana ny cybercriminalité Anosy. Nohamafisin’ny polisy fa ity karazana sokatra ity, anisan’ny biby arovana sy atahorana ho lany tamingana eto Madagasikara. Nanao ny vela-pandrika ny polisy ka tratra teny Ankorondrano ireto roa lahy ireto. Rehefa natao ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo, nahatrarana zana-tsokatra 79 isa. Ny fanadihadiana azy ireo teny amin’ny polisy no nahafantarana fa sokatra avy any Toliara izy ireto. Saika hamidin’izy roa lahy 150 000Ar ny iray, kanjo izao tratra izao. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Tambajotra goavana mihitsy izy ireo no ambadik’ity raharaha ity, saingy izy ireo aloha no tratra.
Jean Claude