Asief : hatao any Nosy-Be Hell Ville ny andiany manaraka

Hifarana tanteraka afaka 2 andro ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des Fonctionnaires), tanterahina eto Toamasina. Efa fantatra sahady ny toerana hanaovana ny andiany manaraka, taorian’ny fikaonandoha nataon’ny mpikambana teo anivon’ny Asief. Araka izany, any Nosy-Be Hell Ville indray ny hanaovana ny fifaninanana Asief, amin’ny taona 2024, raha tsy misy ny sampona. Tsiahivina, efa saika mamaramparana ny fifaninanana avokoa amin’izao fotoana izao ny isan-taranja. Taranja vitsy sisa tsy nahavita ny famaranana, toy ny volley-ball, ny baolina kitra, …. Hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ny tomponandraikitra, indrindra ny mahakasika ny fampiasana mpikarama an’ady sy ny fandikana ny lalàna mifehy.

Mi.Raz

Partager sur: