Araka ny efa fantatra, omaly, i Seychelles sy i Maurice no miray vondrona “A” amintsika, amin’ity lalaon’ny Nosy 2023, izay hatao eto an-toerana ny 25 aogositra-3 septambra ho avy izao. “Azo antoka ny hivoahan’ny Barea amin’ity vondrona ity. Isika no ekipa “favoris” ary tokony hifantoka amin’ izay ho mpifanandrina amintsika amin’ny manasa-dalana isika”, hoy Razafimamonjy Fenosoa, mpamakafaka baolina kitra. Raha ny fanazavana nataony, ny zoma ho avy izao i Seychelles no handeha hanoman-tena any Maurice. Raha toa ka ho any Afrika Atsimo i Maurice, hanaraka fiofanana.
Araka ny heviny, iray amin’i Comores sy i La Réunion no ekipa azo heverina ho mafy amin’ireo mpifanandrina amin’ ny Barea amin’ity JIOI andiany faha-11 ity. Ny ekipam-pirenen’ i Comores sy i Maurice, anisan’ ireo nisongadina tamin’ny Cosafa 2023 farany teo. Efa anatin’ny fifaninanana tsara avokoa ireo mpilalaon’i La Réunion. Tsiahivina fa efa niomana tanteraka ary hiezaka ny haka ny medaly volamena ny Barea de Madagascar.
Fifanandrinan’ny mpanazatra gasy ny vondrona A
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa Malagasy avokoa ny mpanazatran’i Maurice sy i Seychelles ary i Madagasikara. Hifanandrina amin’ ny resaka taktika ao izany ireto Malagasy mpanazatra ireto. Ho an’ny ekipam-pirenena Maorisianina, Rasoanaivo Fidy no mitondra azy ireo raha toa ka i Bruno Saidina, teknisianin’i Seychelles. Tsiahivina fa mpilalao niaraka nilalao tao amin’ny ekipan’ny BFV Madagascar, i Rôrô sy i Bruno ary i Fidy.
Fitia