Tsindriandaona ny mponina any amin’ny kaominina Belomboka sy Belalanda, samy distrika Toliara II, manantena ny hisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ho azy ireo, hitondra vahaolana amin’ny tsy fisian’asa sy hampandroso ny faritra ity tetikasa ity.
Notsorin’ny ben’ny Tanàna Belomboka, Fiadanantsivita, fa miray feo tanteraka ny mponina any Belomboka, manohana ny fitrandrahana fasimainty ataon’ity orinasa ity. Tsotra ny antony, manantena fampandrosoana haingana izy ireo.
Nohamafisin’ny ben’ny Tanàna, fa « miangavy ny Base Toliara handroso ny mponina. Efa misitraka ny tombontsoa, toekarena avy amin’ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany toy izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny any Taolagnaro, ny mponina. Aleo tsinjovina ny mahasoa ny besinimaro, ka miantso ny fanjakana tsy hionona amin’ny filazan’ireo manohitra ity tetikasa ity, izay raisinay ho toy ny fahavalon’ny fampandrosoana ».
Nanamafy izany i Sostème Soazara, nilazany fa tokony efa handroso ity tetikasa ity. Satria mamaha ny olan’ny tsy fisian’asa. Miantoka ny hoavin’ny taranaka ao amin’ny kaominina. « Hanatsara sy hahasoa ny fari-piainanay ny fisiany, sady hampandroso ny faritra », hoy ihany izy.
Manamafy ny fanohanany ny mponina
Mitovy fijery amin’ny mponina any Belomboka koa ny any amin’ny Belalanda. Ho an’i Rakoa Alphonse, « nahoana no sakanana ity tetikasa ity, izay manampy ny amin’ny fampandrosoana ny eny an-toerana sady manatsara ny fiainan’ny mponina » ?
Mijoro vavolombelona i Dera Fréderic avy any Belalanda. « Mitotongana ny fari-piainan’ny mponina, manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy an’asa ny olona. Tokony ho voavaha anefa ireo olana ireo raha eo ny tetikasa Base, hitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina sy ny faritra Atsimo Andrefana », hoy izy.
Ho an’i Valeron Alphonse, mponina any Belalanda ihany koa, « manantena hahazo asa ao amin’ity tetikasa ity izahay tanora, raha vao miverina hisokatra ».
Njaka Andriantefiarinesy