Efa indroa nigadra : lehilahy nisandoka ho kolonely voasambotra

Tratran’ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho kolonely hatry ny ela teny Soamanandrariny, Ambohimangakely, afakomaly.

Milaza azy ho manamboninahitra ambony, mahavita mamoaka olona any am-ponja ity kolonely sandoka ity. Efa mananika ny faha-64 taonany, reseny lahatra amin’ny filaza masaka ireo sendra azy. Vitany avokoa ny mamoaka ny gadra mamita sazy mandra-pahafaty, araka ny nataony tamin’ireo lasibatra. Nangalany vola mitetina 4 500 000 Ar, araka izany, ny fianakaviana iray rehefa tafalatsaka tao anaty teti-dratsiny. Naharay ny vola, tsy hita intsony ity kolonely sandoka ity nanomboka ny taona 2021. Nikaroka azy ny lasibatra. Ankoatr’io, efa mpamerin-keloka indroa nisesy koa ity tra-tehaka ity. Ani­san’ny voasaringotra tamin’ny halatra fiara izy. Nisoloky ho mahatafavoaka olona hihazo an’i Seychelles koa. Namita sazy tao amin’ny fonja Anta­nimora sy teny Tsiafahy. Nanao vela-pandrika ny zandary ka sarona ihany ity mpamerin-keloka sady mpisoloky ity. Tsiahivina, lehilahy iray hafa koa no saron’ny mpitandro filaminana noho ny fisandohana andraikitra. Nitonon-tena ho jeneraly io mpisoloky io ka mahavita mampiditra mpianatra eo anivon’ny Acmil. Sarona anefa ny asa ratsiny ka niafara tamin’ny fampidirana azy am-ponja, ny herinandro lasa teo. Tokony hanao fifaninanana hidirana ho manam-boninahitra ireo maniry hanana galona fa tsy hanao fisandohana toa azy mirahalahy ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: