Sakafo feno, mahavelona, ny atody nefa mbola ambany ny tahan’ny fihinanana azy eto amintsika. Manomana hetsika hanomezana lanja ny vokatra mandritra ny hateloana ny fikambanana 2A any amin’ny 37 km miala ny Renivohitra, ao Antanetibe Mahazaza.
Eto Madagasikara, mihinana atody 20 isan-taona ny olona iray, raha atody 200 isan-taona ho an’ny firenena sasany. Mitondra “protéine” betsaka mitovy lenta amin’ny hena ny atody nefa 600 Ar ny vidiny eny
amin’ny mpaninjara, hoy ny filohan’ny fikambanana 2 A, Anjaratiana Nomenjanahary. Tsy fantatry ny ankamaroan’ ny mpihinana ny soa entin’ny atody sy ny asa ateraky ny fiompiana akoho manatody lava sy ireo fihariana mifandraika aminy. Noho izany indrindra no nahatonga ny fikambanana 2 A sy ny mpiompy akoho ary ny kaominina Antanetibe Mahazaza hikarakara ny “Festival des œufs”, andiany faharoa. Hotanterahina mandritra ny hateloana, ny 18-20 aogositra, ny hetsika any an-toerana, hampisongadinana ny tontolo ambanivohitra amin’ny fiompiana sy fampahafantarana ny vahoaka ny soa entin’ny atody ho an’ny fahasalamana. Miisa 29 ny mpikambana ao amin’ny 2A ary mamoaka atody 20 000 isan-kerinandro izy ireo alefa eny amin’ny tsena samihafa. Asa mahavelona ny fiompiana akoho manatody ary foto-piveloman’ny fianakaviana maro eto Madagasikara. Mbola olana ny fahalafosan’ny sakafon’ny akoho toy ny katsaka, manafatra avy any ivelany ny tomponandraikitra fa tsy maharaka ny filàna ny vokatra eto amintsika.
Hetsika maro anatin’ny tranoheva sy fampisehoana miaraka amin’ny mpanakanto Princio sy ny tarika Njila ranoray no hisarihana ny mpitsidika any Antanetibe Mahazaza.
Nanomboka ny taona 1965 no niompy akoho manatody lava ny mponina ao anatin’ity kaominina ity.
Vonjy A.