Notanterahina omaly, teny Tanjombato ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny mpianatra injeniera eny amin’ny polytéchnique Vontovorona sy ny mpikarakara ny hetsika (fia) foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana. Nisy ihany koa ny fiofanana nataon’ireo mpianatra momba ny teknika sy fahaiza-miteny amim-pahatokiana sy mazava. Mba hahafahana mampihodina sy mandresy lahatra ny olona mandritry ny foara andiany fahadimy, hatao eny Tanjombato, ny 21 -24 Septambra hoavy izao. Mandray anjara mavitrika amin’izany izy ireo amin’ny alalan’ny hetsika « Zoom sur les Métiers », andiany fahatelo. Tanjona ny hanomezana sehatra ireo mpianatra, hampahafantarana ny antom-pianarany sy ny fahaiza-manaony ary ny tetikasa nataony eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena eto Madagasikara ireo seha-pihariana ireo. “Olana matetika ny tsy fahampian’ny fahaizana ara-teknika, mba hampitomboina sy hanatsarana ny vokatra ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy Ramanantsoa Harilala, mpandraharaha sy tomponandraikitry ny hetsika. Fotoana iray hanentanana ny rehetra, indrindra ireo mpisehatra rehetra ny foara. Ahafahan’ny tanora mifanerasera sy mihaona amin’ny orinasa mitady olona manam-pahaizana amin’ireo sehatra samihafa ihany koa izany.
Mino