Kitra fanomanana : hifampitsapa ny Barea sy ny Elgeco Plus

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Elgeco stadium By-Pass, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elgeco Plus. Fihaonana, tafiditra amin’ny fanomanantenan’ny roa tonta amin’ireo lalao iraisam-pirenena hatrehiny atsy ho atsy. Raha tsiahivina, lalaon’ny Nosy ho an’ny Barea de Madagascar ary fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona ho an’ny ekipa tompon’ny amboara aty Afrika kosa ny an’ny Elgeco Plus.

Fo­toana hitsapan’ireo mpa­nazatra roa tonta, ny mpilalaony io lalao io. Hatra­min’izao mantsy tsy mbola mivoaka ny lisitra ofisialin’ny Barea de Madagascar. Nan­gataka fihemorana kely ny mpanazatra Rôrô, noho ny fijerena ny toe-batan’ireo mpilalao isanisany. Ankoatra izay, mbola andrasana koa ny fahatongavan’ireo mpilalao mpila ravinahitra avy atsy amin’ny Nosy La Réunion.

Hametraka ny paikady efa nomen’ny mpanazatra ireo mpilalaony kosa ry zareo Elgeco Plus. Hanamafy ny famonoam-baolina fa izay no lesoka eo amin’ity ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasi­kara ity. Ny Gaborone United avy atsy Botsowana no hidona amin’izy ireo, eo amin’ny lalao savaranonando. Fihao­nana mandroso, hatao any Gaborone, ny 19 aogositra ho avy izao ary ny 27 aogositra ny miverina etsy Mahamasina, raha tsy misy ny fiovana. Raha ny fandaharam-potoana, hanainga ny 17 aogositra, ny Elgeco Plus.

Tompondaka

Partager sur: