Medaly volamena iray, medaly volafotsy iray. Azo lazaina fa vokatra tsara izany, ho an’ny sokajy zavakanto tamin’ny « lalaon’ny Frankôfônia ». Na ireo tsy nitondra medaly nody aza, afaka nirehareha ihany koa…
«Hanome izay kanto indrindra avy aty aminay izahay, ho reharehan’i Madagasikara ». Fanamby sy fampanantenana nataon’ireo mpanakanto miisa 20 mahery, nialohan’ny niaingana nihazo an’i Kinshasa, nanaovana ny “lalaon’ny Frankôfônia” andiany fahasivy, io. Tsy nisy nivaona tamin’izay ireo mpanakanto isaky ny taranja nandraisana anjara: Ny Moustik Crew (Hip-Hop), Pi Freestyle (jonglerie freestyle), tarika Ndaty Lahy (hira), Toky Dimbimalala (saripika), Narda Natioranomena (literatiora), Fitiavana Ratovo (sokitra) ary Richianny Ratovo (hosodoko). Izy mianadahy farany ireto no nosalorana ny medaly, saingy mendrika izany avokoa ireo mpanakanto malagasy tany an-toerana.
“Natontoko tao daholo ny heriko sy ny aingampanahiko rehetra. Mafy ny niatrika ilay izy, satria maro ireo olana nosedraina. Tokony ho efatra andro no nanaovana ny sanganasa, lasa roa andro sisa satria taraiky ireo fitaovana nampanantenain’ny mpikarakara. Ankoatra izay, ny olana niarahanay nisedra tamin’ny fahatongavana, teo amin’ny trano sy ny sakafo. Soa fa nahitam-bahaolana ihany izany ary nivaly tsara ny ezaka natao”, hoy i Richianny Ratovo, niaraka tamin’ilay tsiky niaraka taminy. Tsy nisy tsy niaiky izay nahita ny sanganasany, na ny nalefa hifaninanana mialoha na ny “Fitaratra, tantarao ahy”, izay notontosainy teo an-toerana. Ny aigampanahy samy manana, fa niavaka indrindra teo amin’ny teknika nampiasaina ihany koa i Richianny: fampiarahana ny hosodoko sy ny “pyrogravure”. Nifanotofan’ ireo mpanao gazety vahiny, toa ny France 24, RFI, sns, ity mpanakanto ity, noho izay. Nibaribary tanteraka fa ho azy, mendrika azy ary nampisalorana azy ny medaly volamena.
“Izao aho vao tena mahatsapa hoe mpanakanto… Ilaina ihany ny fihaonana iraisam-pirenena toy izao, ahitan’ny hafa ny vitan’ny mpanakanto malagasy”, hoy kosa i Fitiavana Ratovo, nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny sokajy sokitra. Tsy mba nijery izay nataon’ny mpifaninana taminy izy, fa nifantoka kosa tamin’ny sanganasany.
Tsy nitondra medaly, kanefa mendrika izany ihany koa ireo mpanakanto tamin’ny taranja hafa. Efa fandresena ny fandraisana anjara. Zana-tohatra iray amin’ny lalana mbola ho lava hodiavin’izy ireo rahateo iny lalaon’ny Frankôfônia iny. Tsy nisy nitanondrika na iray aza fa toa ireny niara-nandrombaka ny medaly volamena ireny ny rehetra .
Tsapa ny fitongilanana
Tsy sanatria akory hoe tsy mahazaka resy… Tsy resy rahateo raha ireo mpanakanto malagasy nandray anjara. Anisan’ny tsikaritry ny mpifaninana maro anefa ny fitongilanana teo amin’ny fitsarana, nirona kokoa tamin-dry zareo mpampiantrano. Nisy baiko na toromarika manokana nomena ireo mpitsara ve? Tsy nisy nanamarina izany izay nanontaniana. Mpitsara avy amin’ny firenena maro no nantsoina tamin’ny sokajy zavakanto, kanefa niaraha-nahatsapa ny fiangarana. Anisan’ireo nahitana tsikera sy fitoriana nankany amin’ny komity mpikarakara ny sokajy literatiora. “Tsy ny nahazoan’ilay mpanoratra sy ny sanganasany ny medaly volamena no nitondranay fanamarihana, fa ny endrika nisehoan’ny fifaninanana, araka ny lalàna napetraka. Mendrika an’ilay mpanoratra avy eto Congo ilay medaly volamena, saingy izy tsy niatrika ireo mpitsara nampahafantatra ny sanganasany. Mbola tsy izy ihany koa no nandray ny medaly…”, hoy ny fitantaran’i Narda Natioranomena. Nitondra ny fanamarihana ireo mpitarika ny delegasiona, ka anisan’izany ny tomponandraikitry ny delegasiona malagasy.
Tsy nisy valaka ny nahalatsaka ny “Moustik Crew” teo amin’ny hip hop sy ny “Pi Freestyle” teo amin’ny tanisa baolina. Nahatsapa ny lesoka ry zalahy, fa nahatsapa ihany koa hoe nialan’ny mpitsara ny hifandonany amin’ny mpampiantrano. Ny tarika Ndaty Lahy teo amin’ny sokajy hira kosa nizaka ny tsy fahatomombanana ara-teknika, satria niaka-tsehatra ny andro voalohany, araka ny efa notaterina teto.
Fa tsy nisy kivy ireo mpanakanto malagasy. Misokatra aza ny lalana ho azy ireo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, taorian’i Kinshasa.
Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison