Vita omaly, tetsy amin’ny trano foiben’ny COJI (Comite d’Organisation des Jeux des Iles) Mahamasina, ny antsapaka ho fizaram-bondrona ho an’ireo taranja iraisana, hifaninanana mandritra ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11.
Raikitra ny fifaninanana! Taranja iraisana enina no nanaovana ny antsapaka, nahitana ny basikety
3 x 3 sy ny 5 x 5, ny volley, ny baolina kitra ary ny Rugby lalaovin’olona fito. Niavaka ny ho an’ny taranja basikety lalaovin’olona 3. Ny filaharana FIBA Afrika no nanaovana ny antsapaka. Eo ihany koa ny taranja rugby lalaovin’olona 7 izay vao tamin’ity andiany faha-11 ity vao hifaninana i Madagasikara.
Nandritra ity lanonana ity no nambaran’ny filohan’ny COJI, Resampa Andre Haja, fa andro lehibe manan-danja izao antsapaka izao, izay dingana lehibe mankany amin’ny lalaon’ny Nosy. “Porofo izao fa vonona isika hampiroborobo ny fanatanjahantena, izay mikendry ny firahalahiana sy firaisainkina amin’ny nosy rehetra fa tsy mijanona amin’ ny ara-panatanjahantena fotsiny ihany”, hoy hatrany ny nohamafisiny.
Nisaotra ny fanohanana sy fanampiana nataon’ny filoha sy ramatoa vadiny ihany koa izy, nahatongavana amin’izao. Ankoatra izay, nampirisika ny atleta hanao izay faran’ny hery, hahazoana vokatra tsara, hampiakarana ambony ny voninahi-pirenena, ny minisitra. Marihina fa tontosa tao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny antsapaka, nanana solontena tamin’izany ry zareo Mahôre, raha tamin’ny alalan’ ny fampitan-davitra no nanarahan’ireo Nosy rahavavy hafa izany. Olo-manan-kaja maro no tonga nandray anjara tamin’ ny antsapaka, teo ireo mpilalao kalaza fahiny, toa an’i Mtre Kira, Rasoamboahangy Eléonore ary Raly ho an’ny taranja Volley-ball. Tsara ny mampahafantatra fa tonga nanatrika ity fotoana ity ny solontenan’ny Komity olympika malagasy (COM).
Mi.Raz sy Fitia
Vokatry ny antsapaka omaly :
Hand ball
Vehivavy ekipa 7
Vondrona A : Madagasikara, Seychelles, Comores, Maurice
Vondrona B : La Reunion, Maldives, Mayotte
Lehilahy ekipa 7
Vondrona A : Madagasikara, Comores, Maldives, Maurice
Vondrona B : La Reunion, Seychelles, Mayotte
Baolina kitra, Lehilahy
Vondrona A : Madagasikara, Seychelles, Maurice
Vondrona B : La Reunion, Mayotte, Comores
Basikety 3×3
Vehivavy
Vondrona A : Madagasikara, Maurice, La Reunion
Vondrona B : Maldives, Seychelles, Mayotte
Lehilahy
Vondrona A : Madagasikara, Maurice, La Reunion
Vondrona B : Maldives, Seychelles, Mayottes
Basket 5 x 5
Vehivavy ekipa 7
Vondrona A :
Madagasikara, Comores, Mayotte, Maurice
Vondrona B :
La Reunion, Maldives, Seychelles
Lehilahy
Vondrona A : Madagasikara, La Reunion, Comores
Vondrona B : Mayotte, Seychelles, Maurice
Rugby a 7
Vondrona tokana ny Lehilahy sy vehivavy
Madagasikara, La Reunion, Maurice, Mayotte
Volley ball
Vehivavy
Vondrona A : Madagasikara, La Reunion, Mayotte
Vondrona B : Seychelles, Maurice, Maldives
Lehilahy
Vondrona A : Madagasikara, La Reunion, Maldives
Vondrona B : Maurice, Seychelles, Comores, Mayotte